Εμφάνιση αναρτήσεων με ετικέτα Fiangonana ortodoksa. Εμφάνιση όλων των αναρτήσεων
Εμφάνιση αναρτήσεων με ετικέτα Fiangonana ortodoksa. Εμφάνιση όλων των αναρτήσεων

Δευτέρα 13 Ιανουαρίου 2020

Fiangonana Ortodoksa eto Madagasikara


Sary eto
Mg.wikipedia.org

Ny Fiangonana Ortôdôksa eto Madagasikara dia fiangonana kristiana miorina eto Madagasikara izay isan'ny Fiangonana tatsinanana efa tafasaraka tamin'ny Fiangonana Katolika tany aloha. Mino ny Trinite ny Ortôdôksa. Fehin'ny Fiangonana Ôrtodôksan'i Aleksandria sy Afrika manontolo izy. 

Tantarany

Efa tany amin'ny taon-jato faha-19 tany ho any no tonga teto Madagasikara ny finoana ortôdôksa. Tamin'izany anefa, mbola tsy nisy Malagasy ortôdôksa fa ireo Grika sy Bolgara ary Rosiana no mpino ortôdôksa teto. Tsara ho marihina anefa fa tsy nisy pretra tamin'izy ireo fa samy kristianina tsotra avokoa.

Ondry tsy misy mpiahy

Ny taona 1928, natsangana ho archidiocèse i Johannesburg (Afrika Atsimo) ary nampidirina tao anatin'izany i Madakasikara. Araka izany, naniraka pretra ho aty Madagasikara ny archevêché tao Johannesburg mba hanentana sy hanome vatsim-panahy ny Kristianina ortôdôksa. Tsy naharitra anefa ny fitsidihana nataony teto.
Ny taona 1930 dia nanangana fiangonana ireo Kristianina ortôdôksa tao Antananarivo (Behoririka) ary natao eo ambany fiarovan'ny "Dormition de la Mère de Dieu". Na vita aza ny fiangonana dia mbola tsy nahazo pretra ihany ny Kristianina ortodoksa malagasy.
Ny taona 1948 dia nandefa pretra hipetraka maharitra eto Madakasikara ny archevêché any Johannesburg. Pretra iray ihany anefa no nalefany hisahana sy hitantana ny fiangonana ortôdôksa manerana an'i Madagasikara izay efa nisy fiangonana roa nitsangana, satria ny taona 1955 dia vita ny fiangonana tany Mahajanga arovan'i Md Nicolas. Taona vitsy taorian'izay dia tsy nisy pretra indray i Madagasikara rehefa niverina any Afrika Atsimo ny pretra niasa teto, noho ny antony maro.
Ny taona 1966 dia nandefa pretra iray tompon-toerana teto Madagasikara ny archevêché any Johannesburg. Roa taona monja anefa no niasan'io pretra io dia nody izy. Nanomboka ny taona 1968 dia tsy nanana pretra ny Kristianina ortôdôksa teto Madagasikara. Taona vitsy taorian'io anefa dia natsangana ho archevêché i Zimbabwe (miray amin'ny Patriarkata tany Aleksandria) ary nafindra tao indray i Madagasikara. Na dia nitambatra tao amin'ny archevêché-n'ny Zimbabwe aza i Madagasikara dia mbola tsy nahazo pretra ihany.

Ny mazava atsinanana


Ny taona 1994, pretra aostralianina iray tonga handany fotoam-pialan-tsasatra eto Madagasikara no nahita ny fiangonana tao Behoririka (Antananarivo) sy ny kristianina nivavaka tsy nisy pretra. Vokatr'izany, nalahelo mafy ity pretra aostralianina ity ka naniry ny ho misiônera aty Madagasikara. Ny volana Jolay 1994, nivaly ny faniriany. Iray volana monja taorian'io anefa dia efa nisy kristianina ortodoksa malagasy telo lahy niroso hatao batemy tao amin'ny fiangonana "la Dormition de la Mère de Dieu" tamin'ny 31 Aogositra 1994. Izy telo lahy ireo kosa no tonga pretra malagasy ortodoksa voalohany ary nohamasinina ny volana Martsa 1995 tany Zimbabwe.
Ny 23 Semptembra 1997 no nohamasinina ho evekan'i Madagasikara ilay pretra aostralianina misiônera.



Maty tamin'ny taona 2004 ity eveka ity ary i Mgr Ignocius (teratany grika) no nandimby azy.
Tamin'ny 10 Mey 1999 no neken'ny fanjakana malagasy ho ara-dalàna teto Madagasikara ny fijoroan'ny fiangonana ortôdôksa na dia efa niforona tamin'ny taona 1930 aza.

Ireo solofo dimbin'ny ala: Pretra, Seminarista ary Masera malagasy ortôdôksa

Ankehitriny dia efa miisa 54 eo ireo paroasy ortôdôksa izay mitsinjara amin'ny vicariats telo eto Madagasikara dia vicariat Toliara, vicariat Fianarantsoa ary vicariat Antananarivo. Misy 12 ireo pretra malagasy, "sous-diacre" iray ary seminarista 7 izay samy any ivelan'i Madagasikara avokoa.
Amin'izao fotoana izao dia efa misy masera malagasy iray ôrtôdôksa sy regardantes roa, samy mbola mipetraka any andafy avokoa ireo. Tsy ho ela anefa dia hanana monastera eto Madagasikara (ao Mantasoa) ireto masera ireto.

Ny asa pastôraly sy sôsialy

Raha amin'ny fanabeazana dia mandray anjara feno ny fiangonana ôrtôdôksa eto Madagasikara. Manana sekoly fanabeazana fototra 9 sy sekoly fiofanana amin'ny asa (technique) iray any Toliara ny fiangonana. Tsiahivina koa fa manana hôpitaly iray eto Madagasikara ny fiangonana ôrtôdôksa.
Ankehitriny dia efa lasa archevêché i Madagasikara ary miaraka aminy ny Nosy La Réunion sy Maurice. Samy mivondrona ao amin'ny patriarcat-n'ny Aleksandria ireo, izay tantanan'ny patriarche Théodore. 

Jereo ihany koa

Fiangonana ortodoksa tatsinanana (Fiangonana ortodoksa katolika): ilay fiangonana taloha naorin'i Jesosy Kristy
Fiangonana Ortodoksan'i Aleksandria sy Afrika manontolo

Tonga eto Madagasikara ny patriarkan'ny Aleksandria sy Afrika manontolo 
Fiangonana Ortodoksa: "Tokony hanampy fa tsy mampianatra fotsiny"  

Orthodox Madagascar
Orthodox Christianity in Madagascar
News & articles from the Orthodox Church in Madagascar 
The page of the Holy Diocese of Toliara and South Madagascar 


Madagascar: On the Edge of Poverty
Orthodox Mission in Tropical Africa (& the Decolonization of Africa)  
African Initiated Churches in Search of Orthodoxy...
How “White” is the Orthodox Church?
Ancient Christian faith (Orthodox Church) in Africa
 


Madagascar: Orthodoxy in the Eighth Continent...
Two different worlds, two testimonies of faith
A Protestant missionary asked "Who brought you the Gospel?"

L'Οrthodoxie à Madagascar et son rôle social
Madagascar: la recherche de la vérité du Christ conduit à l'Eglise orthodoxe...
L'Eglise Orthodoxe à Madagascar
Madagascar: Pauvreté, esprits des morts, bandits et Panayiotis qui avaient un an à venir à l'église...

Fiangonana Ortodoksan'i Aleksandria sy Afrika manontolo

Mg.wikipedia
 

Ny Fiangonana Ortodoksan'i Aleksandria sy Afrika Manontolo na Fiangonana Ortodoksa Grikan'i Aleksandria sy Afrika Manontolo na Fiangonana Ortodoksa Tandrefan’i Aleksandria sy Afrika Manontolo dia sampana mahaleotenan’ny Fiangonana ortodoksa izay misahana ny Kristiana ortodoksa any Ejipta sy eran’ny kontinentan’i Afrika. Atao hoe Patriarkan’i Aleksandria sy Afrika manontolo ny lehiben’io fiangonana io izay mitoetra ao Aleksandria ao Ejipta. Atao hoe Πατριαρχείο Aλεξανδρείας και πάσης Aφρικής (Patriarkheîon Aleksandreías kaì pásēs Aphrikês) izy amin’ny teny grika [sary].
Ny fiteny grika sy soahily sy anglisy sy arabo ary frantsay sy fiteny isam-paritra maro hafa koa no ampiasaina amin’ny fotoam-pivavahana. Araka ny lovantsofina dia ny evanjelista Marka no mpanorina ny Fiangonana ortodoksan’i Aleksandria. Ny Lionan'i Masindahy Marka no sary famantarana ny Fiangonana Grika Ortodoksan’i Aleksandria. 
Miofana ao amin’ny Akademia telo ao Aleksandria sy ao Nairoby ary ao Kinsasa ireo mpitondra fiangonana.
Hatry ny ela dia tao Ejipta sy tao amin’ireo Grika sy Siro-libaney am-pielezana aty Afrika ihany no nisy fiangonana ortodoksa fa am-polo taonany maro izay no nitomboany aty Afrika atsimon’i Saharà. Tokony ho 250 000 eo ny isan’ny mpivavaka ao. Ny Fiangonana Ortodoksa Grikan’i Aleksandria sy Afrika Manontolo dia tsy afangaro amin’ireo Fiangonana ortodoksa hafa ao Aleksandria toy ny Fiangonana Ortodoksa Koptan'i Aleksandria na Fiangonana Ortodoksa Tatsinanan'i Aleksandria.

Fandaminana

Diosesy sy Arsidiosesin'ny Fiangonana Ortodoksa Grikan'i Aleksandria sy Afrika manontolo

Ireto avy ireo sampan’ny Fiangonana Ortodoksan'i Aleksandria sy Afrika manontolo izay aseho isaky ny faritra misy azy: 

Ao Ejipta:
  • Arsevese Patriarkalin'i Aleksandria
  • Metropolin’i Hermopolisy
  • Metropolin’i Memfisy
  • Metropolin’i Pelosa
  • Metropolin’i Leontopolisy
  • Metropolin’i Ptolemaisy
Ao Afrika Atsinanana :
  • Metropolin’i  Kartoma sy Sodàna manontolo
  • Metropolin’i  Aksoma
  • Metropolin’i  Irinopolisy
  • Metropolin’i  Moanza
  • Metropolin’i Kenia
  • Metropolin’i Kampala sy Oganda manontolo
Ao Afrika Atsimo :
  • Metropolin’i Ioanopolisy sy Pretoria
  • Metropolin’i Bonne-Espérance
  • Metropolin’i Zimbaboe
  • Metropolin’i Zambia sy Malaoy
  • Evesen’i Mozambika
  • Evesen’i Madagasikara
  • Evesen’i Botsoana
Ao Afrika Afovoany sy Andrefana :
  • Metropolin’i Akra sy Afrika Andrefana
  • Metropolin’i Nizeria
  • Metropolin’i Kamerona
  • Metropolin’i Afrika Afovoany
  • Evesen’i Siera Leona
  • Evesen’i Katanga
  • Evesen’i Roanda sy Borondy
Ao Afrika Avaratra-Andrefana :
  • Metropolin’i Tripoly
  • Metropolin’i Kartazy

Jereo ihany koa

Fiangonana ortodoksa tatsinanana (Fiangonana ortodoksa katolika): ilay fiangonana taloha naorin'i Jesosy Kristy
Fiangonana Ortodoksa eto Madagasikara

Tonga eto Madagasikara ny patriarkan'ny Aleksandria sy Afrika manontolo 
Fiangonana Ortodoksa: "Tokony hanampy fa tsy mampianatra fotsiny"  

Orthodox Madagascar
Orthodox Christianity in Madagascar
News & articles from the Orthodox Church in Madagascar 
The page of the Holy Diocese of Toliara and South Madagascar 


Orthodox Mission in Tropical Africa (& the Decolonization of Africa)  
African Initiated Churches in Search of Orthodoxy...
How “White” is the Orthodox Church?
Ancient Christian faith (Orthodox Church) in Africa


Fiangonana ortodoksa tatsinanana (Fiangonana ortodoksa katolika)


Mg.wikipedia.org

 
Jesosy Kristy sy ny mpianany.

Ny Fiangonana ortodoksa tatsinanana na Fiangonana ortodoksa katolika izay fantatra indrindra amin'ny anarana fohy hoe Fiangonana ortodoksa dia fiangonana faharoa, raha ny hamaron'ny mpino ao aminy no jerena. Iray amin'ireo fiangonana tranainy indrindra izy. [Fanamarihana ao amin'ny bilaogintsika: Ny fiangonana Ortodoksa dia ilay fiangonana taloha naorin'i Jesosy Kristy].
Fiombonam-piangonana ortodoksa maromaro izay samy niorina araka ny Kosily fito nifandimby izay atao hoe "Fiangonan'ny konsily fito" izy. Ny ankamaroan'ny Fiangonana ortodoksa tatsinanana dia hita ao Eoropa Andrefana sy ao Grisia (na Gresy) ary ao Kaokazy. Ahitana mpivavaka ortodoksa koa ny tapany atsinanan'i Mediteranea sy ao Afrika. Vitsy dia vitsy ny mpino ortodoksa any Atsinanana Afovoany noho ny fisian'ny fanenjehana. Amin'izao fotoana izao dia miisa 250 000 000 any ho any ny mpino ortodoksa maneran-tany. 

Ireo fiangonana 14 mpiombona
  • Patriarkata ekiomenikan'i Konstantinopoly;
  • Fiangonana ortodoksan'i Aleksandria sy Afrika manontolo;
  • Fiangonana ortodoksan'i Antiokia ao Siria sy ny Atsinanana manontolo;
  • Fiangonana ortodoksan'i Jerosalema ho an'i Israely sy Palestina sy Jordania ary Sinay;
  • Fiangonana ortodoksan'i Jeorjia;
  • Fiangonana ortodoksan'i Kiprosy;
  • Fiangonana ortodoksan'i Serbia;
  • Fiangonana ortodoksan'i Rosia;
  • Fiangonana ortodoksan'i Grisia;
  • Fiangonana ortodoksan'i Romania;
  • Fianginana ortodoksan'i Bolgaria;
  • Fiangonana ortodoksan'i Albania;
  • Fiangonana ortodoksan'i Polonia;
  • Fiangonana ortodoksan'i Tsekia sy Slovakia;
  • Fiangonana ortodoksan'i Okraina.
Ny Fiangonana Ortodoksa eto Madagasikara dia isan'ny Fiangonana ortodoksan'i Aleksandria sy Afrika manontolo

Mpitarika ao amin'ny Fiangonana Ortodoksa manerana izao tontolo izao (Patriarchs sy Archbishops). Sary eto.

Fiangonana ortodoksa any Zambia (Sary eto).