Δευτέρα 13 Ιανουαρίου 2020

Fiangonana Ortodoksan'i Aleksandria sy Afrika manontolo

Mg.wikipedia
 

Ny Fiangonana Ortodoksan'i Aleksandria sy Afrika Manontolo na Fiangonana Ortodoksa Grikan'i Aleksandria sy Afrika Manontolo na Fiangonana Ortodoksa Tandrefan’i Aleksandria sy Afrika Manontolo dia sampana mahaleotenan’ny Fiangonana ortodoksa izay misahana ny Kristiana ortodoksa any Ejipta sy eran’ny kontinentan’i Afrika. Atao hoe Patriarkan’i Aleksandria sy Afrika manontolo ny lehiben’io fiangonana io izay mitoetra ao Aleksandria ao Ejipta. Atao hoe Πατριαρχείο Aλεξανδρείας και πάσης Aφρικής (Patriarkheîon Aleksandreías kaì pásēs Aphrikês) izy amin’ny teny grika [sary].
Ny fiteny grika sy soahily sy anglisy sy arabo ary frantsay sy fiteny isam-paritra maro hafa koa no ampiasaina amin’ny fotoam-pivavahana. Araka ny lovantsofina dia ny evanjelista Marka no mpanorina ny Fiangonana ortodoksan’i Aleksandria. Ny Lionan'i Masindahy Marka no sary famantarana ny Fiangonana Grika Ortodoksan’i Aleksandria. 
Miofana ao amin’ny Akademia telo ao Aleksandria sy ao Nairoby ary ao Kinsasa ireo mpitondra fiangonana.
Hatry ny ela dia tao Ejipta sy tao amin’ireo Grika sy Siro-libaney am-pielezana aty Afrika ihany no nisy fiangonana ortodoksa fa am-polo taonany maro izay no nitomboany aty Afrika atsimon’i Saharà. Tokony ho 250 000 eo ny isan’ny mpivavaka ao. Ny Fiangonana Ortodoksa Grikan’i Aleksandria sy Afrika Manontolo dia tsy afangaro amin’ireo Fiangonana ortodoksa hafa ao Aleksandria toy ny Fiangonana Ortodoksa Koptan'i Aleksandria na Fiangonana Ortodoksa Tatsinanan'i Aleksandria.

Fandaminana

Diosesy sy Arsidiosesin'ny Fiangonana Ortodoksa Grikan'i Aleksandria sy Afrika manontolo

Ireto avy ireo sampan’ny Fiangonana Ortodoksan'i Aleksandria sy Afrika manontolo izay aseho isaky ny faritra misy azy: 

Ao Ejipta:
  • Arsevese Patriarkalin'i Aleksandria
  • Metropolin’i Hermopolisy
  • Metropolin’i Memfisy
  • Metropolin’i Pelosa
  • Metropolin’i Leontopolisy
  • Metropolin’i Ptolemaisy
Ao Afrika Atsinanana :
  • Metropolin’i  Kartoma sy Sodàna manontolo
  • Metropolin’i  Aksoma
  • Metropolin’i  Irinopolisy
  • Metropolin’i  Moanza
  • Metropolin’i Kenia
  • Metropolin’i Kampala sy Oganda manontolo
Ao Afrika Atsimo :
  • Metropolin’i Ioanopolisy sy Pretoria
  • Metropolin’i Bonne-Espérance
  • Metropolin’i Zimbaboe
  • Metropolin’i Zambia sy Malaoy
  • Evesen’i Mozambika
  • Evesen’i Madagasikara
  • Evesen’i Botsoana
Ao Afrika Afovoany sy Andrefana :
  • Metropolin’i Akra sy Afrika Andrefana
  • Metropolin’i Nizeria
  • Metropolin’i Kamerona
  • Metropolin’i Afrika Afovoany
  • Evesen’i Siera Leona
  • Evesen’i Katanga
  • Evesen’i Roanda sy Borondy
Ao Afrika Avaratra-Andrefana :
  • Metropolin’i Tripoly
  • Metropolin’i Kartazy

Jereo ihany koa

Fiangonana ortodoksa tatsinanana (Fiangonana ortodoksa katolika): ilay fiangonana taloha naorin'i Jesosy Kristy
Fiangonana Ortodoksa eto Madagasikara

Tonga eto Madagasikara ny patriarkan'ny Aleksandria sy Afrika manontolo 
Fiangonana Ortodoksa: "Tokony hanampy fa tsy mampianatra fotsiny"  

Orthodox Madagascar
Orthodox Christianity in Madagascar
News & articles from the Orthodox Church in Madagascar 
The page of the Holy Diocese of Toliara and South Madagascar 


Orthodox Mission in Tropical Africa (& the Decolonization of Africa)  
African Initiated Churches in Search of Orthodoxy...
How “White” is the Orthodox Church?
Ancient Christian faith (Orthodox Church) in Africa


Δεν υπάρχουν σχόλια:

Δημοσίευση σχολίου