Δευτέρα 13 Ιανουαρίου 2020

Fiangonana ortodoksa tatsinanana (Fiangonana ortodoksa katolika)


Mg.wikipedia.org

 
Jesosy Kristy sy ny mpianany.

Ny Fiangonana ortodoksa tatsinanana na Fiangonana ortodoksa katolika izay fantatra indrindra amin'ny anarana fohy hoe Fiangonana ortodoksa dia fiangonana faharoa, raha ny hamaron'ny mpino ao aminy no jerena. Iray amin'ireo fiangonana tranainy indrindra izy. [Fanamarihana ao amin'ny bilaogintsika: Ny fiangonana Ortodoksa dia ilay fiangonana taloha naorin'i Jesosy Kristy].
Fiombonam-piangonana ortodoksa maromaro izay samy niorina araka ny Kosily fito nifandimby izay atao hoe "Fiangonan'ny konsily fito" izy. Ny ankamaroan'ny Fiangonana ortodoksa tatsinanana dia hita ao Eoropa Andrefana sy ao Grisia (na Gresy) ary ao Kaokazy. Ahitana mpivavaka ortodoksa koa ny tapany atsinanan'i Mediteranea sy ao Afrika. Vitsy dia vitsy ny mpino ortodoksa any Atsinanana Afovoany noho ny fisian'ny fanenjehana. Amin'izao fotoana izao dia miisa 250 000 000 any ho any ny mpino ortodoksa maneran-tany. 

Ireo fiangonana 14 mpiombona
  • Patriarkata ekiomenikan'i Konstantinopoly;
  • Fiangonana ortodoksan'i Aleksandria sy Afrika manontolo;
  • Fiangonana ortodoksan'i Antiokia ao Siria sy ny Atsinanana manontolo;
  • Fiangonana ortodoksan'i Jerosalema ho an'i Israely sy Palestina sy Jordania ary Sinay;
  • Fiangonana ortodoksan'i Jeorjia;
  • Fiangonana ortodoksan'i Kiprosy;
  • Fiangonana ortodoksan'i Serbia;
  • Fiangonana ortodoksan'i Rosia;
  • Fiangonana ortodoksan'i Grisia;
  • Fiangonana ortodoksan'i Romania;
  • Fianginana ortodoksan'i Bolgaria;
  • Fiangonana ortodoksan'i Albania;
  • Fiangonana ortodoksan'i Polonia;
  • Fiangonana ortodoksan'i Tsekia sy Slovakia;
  • Fiangonana ortodoksan'i Okraina.
Ny Fiangonana Ortodoksa eto Madagasikara dia isan'ny Fiangonana ortodoksan'i Aleksandria sy Afrika manontolo

Mpitarika ao amin'ny Fiangonana Ortodoksa manerana izao tontolo izao (Patriarchs sy Archbishops). Sary eto.

Fiangonana ortodoksa any Zambia (Sary eto).

Δεν υπάρχουν σχόλια:

Δημοσίευση σχολίου